Olona enina no notoloran’ny Vivo Energy loka omaly nandritra ilay hetsika nokarakarainy momba ny fihainoana ny feon’ny mpanjifa mikasika ireo tobim-pivarotan-tsolika Shell misy eto amintsika.
Anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa manerana ny faritra Afrika. Betsaka tamin’ireo mpanjifa no afa-po, nisy ihany koa ireo nanolotra hevitra entina hanatsarana hatrany ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta tamin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisan’izy ireo. Tao anatin’ny telo volana dia mpanjifa telo samihafa toa an-dRaharinoro Arimanana, Rabe Christophe ary Rasolofoniaina Orlando no notolorana faran’ny herinandro ho an’olon-droa tany Sainte-Marie. Notolorana solika mitentina 160.000 Ar kosa ny laharana faharoa izay mbola nisy olona telo samihafa ihany koa. Nihoatra ny 500 ny isan’ireo mpanjifa nandray anjara tao anatin’io telo volana io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.