Actualités

FIGN «Mila mitolo-batana ireo tsy mbola hita»


  • Alarobia 26 Mey 2010

Mbola misy maromaro ireo olon’ny FIGN tsy hita izay nanjavonany amin’izao fotoana izao taorian’ireny fanafihana ny tobin’izy ireo ireny.

Mazava ho azy fa ireo izay iray ekipa amin’ny Kly Raymond Andrianjafy izany. Omaly dia nisy fanambarana navoakan’ny Emmo-Reg mahakasika izany. «…Manainga ireo miaramilan’ny FIGN izay nametraka ny basiny ka nitsoaka nandritry ny raharaha izay nitranga ny alakamisy lasa teo… Manamora kokoa ny toe-draharaha ny fanoloran’ireo vatana ao amin’ny zandarimaria ao Fiadanana…» Raha fintinina fohy ny tao anatin’io fanambaràna io. Tsiahivina fa efa nisy efatra tamin’ireo olon’ny FIGN no nalefa eny Tsiafahy rehefa natolotra ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny Kly Raymond sy ny namany vitsivitsy (tokony ho eo amin’ny telo na efatra eo) dia mbola notazomina hatrany etsy Fiadanana mba hatao fanadihadiana. Ny sabotsy teo dia nitohy ny fisavana trano sy fihazana ireo namany izay mbola miriaria any, saingy nandamoka aloha hatreto izany. Tantara mitohy hatrany. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT