Actualités

FIGN – Fort Duchesne Nisy saika nanafika ny alarobia alina teo ?


  • Zoma 07 Mey 2010


Tapaka tanteraka ny herinaratra teto Antananarivo renivohitra sy tamin’ny faritra maro manodidina azy, ny alarobia alina nanodidina ny tamin’ny folo ora. Nanaitra ny rehetra izany satria tsy ao anatin’ny fahavaratra intsony isika izao no sady tsy nisy fampandrenesana avy amin’ny Jirama mialoha io fahatapahana io. Omaly maraina dia nandeha ny resaka fa toa hoe tafiditra tao anatin’ny tetika ho fanafihana ny tobin’ny FIGN etsy Fort Duchesne iny fahatapahan’ny herinaratra tampoka iny. Misy amin’ireo miaramila mbola miandany amin’i Andry Rajoelina mantsy no mieritreritra fa vahaolana ny manafika sy mambabo ireo lakazerina izay tsy mankasitraka 100% ny FAT amin’izao fotoana, ka anisan’izany ny FIGN izay toa tsy mitsahatra maneho hevitra an-gazety tsy manaraka ny fitsipika ara-miaramila. Mijanona ho siosion-dresaka fotsiny ve sa tena mitombina tokoa ity fikasan’ireo miaramilan-dRajoelina hanafika ny FIGN ity ? Hatramin’ireny fitakiana ny famoahana ny marina mikasika ilay vola 500 tapitrisa ariary avy any amin’i Marc Ravalomanana ireny mantsy no efa nandeha ny resaka fa tsy mifankahazo tsara intsony amin’ny filohan’ny HAT sy ireo miaramila miaro azy ity hery vonjitaitran’ny zandarimariam-pirenena ity. Saingy efa nilaza ampahibemaso moa taorian’izany ny lehiben’ny FIGN ny jeneraly Zafera fa tsy mikasa ny hanongam-panjakana izany mihitsy ny eny Fort Duchesne. Fa tena arakarak’izany fanambarana izany tokoa ve ny zava-misy marina ? Ho hita eo ihany ny tohiny !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT