Hanomboka afaka enim-bolana ny famindrana tanteraka ireo mponina voakasiky ny fifindra-monina tanterahin’ny fikambanana Hafari Malagasy eny Soaniedanana Ankazobe P.K 67.
Fanamby apetraky ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina izany aorian’ny fanampiana ireo mpikambana ho lasa mpandraharaha, izany hoe efa hanana vola mihodina avokoa hahafahana manatsara ny fidiram-bolan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana akoho manatody lava 2.000 isa isam-bolana… Mikasika ilay « fond de garantie » mitentina 600 tapitrisa Ar hahafahan’ny mpikambana mindram-bola any amin’ny banky dia nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa mbola hiandrasany fanampiana avy amin’ny fanjakana izany ankoatra ny latsakemboky ny mpikambana. Tsy voatery ho vola izany, hoy hatrany izy fa mety na dia ireo karazana vy sy fitaovana hafa tsy ilaina intsony eny anivon’ny orinasa aza. Notsiahiviny moa fa tsy manana tetikasa fifindra-monina hafa ankoatra ny eny Soaniedanana izy ireo ho an’ny faritra Analamanga noho izany dia nambarany fa misandoka avokoa izay rehetra manonona ny anarany any amin’ny toeran-kafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.