Nanao fanambarana niaraka ny Fanorolahy, Leader Fanilo, Arema, Mapar, FIMA, TIM, Gasy Miray ary MTS, izay antoko politika sy fikambanana nandrotsaka olona hofidiana Loholona adverseran’ny HVM amin’ny 29 desambra 2015,
maneho ny ahiahiny manoloana ny fandaminana napetraky ny CENI, amin’ny fomba fandatsahan’ireo mpifidy vaventy ny vatony, vata fandatsaham-bato iray isaky ny Kaominina) eo anivon’ny Distrika. Sady «Tsy fanomezan-kasina ny fifidianana miafina (vote secret) » izany, hoy izy ireo, no « endrika fampitahorana sy fanerena an-kolaka ny mpifidy ». Mba hisorohana ny krizy mety haterak’izany eto anivon’ity firenena ity, dia mitaky ny hanaovana « vata fandatsaham-bato iray isaky ny Distrika » izy ireo, « mba ho mpifidy vaventy marina izy ity »
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.