Anisan’ny vaovao tena nahoraka teto amintsika tamin’ity herinandro ity ny fifanolanana misy eo amin’ireo samy mpikambana ao anatin’ny FIZAFATO na ny Zanaky ny Faritany Toliara.
Misy hatrany ny fifamaliana resaka amin’ny alalan’ny mpanao gazety notanterahin’izy ireo izay mbola nitohy hatramin’ny omaly tetsy amin’ny Tana Hotel Antaninarenina. Ny fikambanan’ny Zanak’Androy indray no naneho ny heviny tamin’izany. Nambaran’Atoa Milavonjy Philobert nandritra izany fa firahalahiana, fifankatiavana, no antom-pijoroan’ny FIZAFATO noho izany tsy mankasitraka ny fifandrafesana izy ireo. Tsy tokony hisy ihany koa hoy izy na dia olona iray aza hiteny sy hitondra ny anaran’ny Zanak’Androy satria tsy mahasolo tena ity foko iray ity izy. Miantso ny hisian’ny fitoniana ka hirosoana amin’ny fifidianana rahampitso Alahady 06 Aogositra araka izany ny fikambanan’ny zanak’Antandroy. Notsiahiviny manokana moa fa misy fikambanaa efatra ao amin’ny Faritra Androy. Mbola tsy nifampidinika sy nanaovana fikaon-doha anefa hoy izy ny handrotsaka kandida iray amin’ny fifidianana ka tokony havondrona ho iray aloha ireo fikambanana ireo dia miara-manapa-kevitra ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.