Actualités

Fifidianana ben’ny tanŕna Tsy azo teriterena ny olona, hoy ny praiminisitra


  • Alakamisy 07 Mey 2015

Nanamafy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo fa tsy mihemotra ny fifidianana ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina. Ny 15 mey izao no farafanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana ary ny 31 jolay no hanaovana ny fifidianana. Nanambara ihany koa ny praiminisitra fa ferana ho 16 000 Ar isan-taona ny hetra tambatra ho an’ireo mpilatsaka

 


 

 hofidiana ary tsy maintsy miasa  avokoa na ny mpiraki-draharaha eny amin’ny fitsarana amin’ny fangalana ny ” casier judiciaire” na ny mpiasan’ny hetra mba hiasa tsy an-kiato hanamorana ny fikarakarana ny taratasin’ireo  mpilatsaka hofidiana. Manentana sy mampirisika ny kandida  hiroso amin’ny  fandrotsahana ny taratasim-pilatsahan-kofidiana izy. Ho an’ireo any amin’ny faritra dia nantitranteriny fa malalaka ary tsy azo teriterena  amin’ny zony sy ny safidiny ny Malagasy tsirairay  amin’ity fifidianana ity. Mikasika ny hamatsiana ny fikarakarana ny fifidianana indray  dia nanome toky ny Jeneraly Ravelonarivo Jean fa misy ny vola ka tsy tokony hisy hampisalasala. Mahakasika ny  fampiasana ny bileta tokana tsy misy anarana na sarin’ny kandida dia niezaka nanazava ny antony nandraisana iny fanapahan-kevitra iny ny praiminisitra saingy sarotra ihany ny ahazoana antoka fa tsy ho very ny mpifidy, indrindra fa ny any ambanivohitra izay zatra mifidy ny olom-pantany  fa tsy dia mijery ny loko politika loatra.


Andry Ratovo    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT