Actualités

Fifidianana Ben’ny tanŕna Navotan’ny didim-panjakana ireo tsy nahafeno ny lisitra


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010


«Soa fa nisy ity didim-panjakana manafoana ny fametraham-pilatsahan-kofidian’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina iray lisitra aminy ity, raha tsy izany mety tsy hisy ny mpilatsaka hofidiana raha ho an’i Toamasina tampon-tanàna». Izay no nambaran’ireo mpikamban’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana (CRMV) Distrikan’i Toamasina I. 24 ora tsy hifaranan’ny filatsahan-kofidiana, ny sabotsy teo mantsy dia na iray tamin’ireo milaza ho kandida sy ny lisitra miaraka aminy aza, tsy nisy nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiany. Ny sabotsy io, tsy nisy nahalala ny teo anivon’ny CRMV distrikan’i Toamasina I mikasika ilay didim-panjakana noraisina sy ny votoatiny, «SMS» avy amin’ny CENI foibe fotsiny no nampilaza tamin’izy ireo ny fanafoanana ny fandraisana ny filatsahan-kofidian’ireo te ho kandida Ben’ny tanàna sy ny mpiray lisitra aminy. Ho an’i Joël Patrick Gérard (Patou) izay anisan’ny ho kandida ho an’i Toamasina renivohitra, dia nilaza fa “mety amiko, mety aminay mpiray lisitra ny fanemorana natao ity, ny nahagaga taminy fotsiny dia efa 24ora hifaranan’ny filatsahan-kofidiana vao noraisina».

Tsy nahita olona
Raha ny fahitana ny fihetsikatsehana tao anatin’izay fe-potoana fanomanana ny filatsahan-kofidiana ho Ben’ny tanàna sy ny mpiray lisitra aminy izay, dia antoko sy fikambanana tsotra miisa 5 teo no hita fa vonona ny haka ny toeran’ny Ben’ny tanàna sy ny maro an’isa eo anivon’ny filankevitry ny tanànan’i Toamasina. Izao zava-misy izao anefa midika fa misy tamin’ireo te hilatsaka hofidiana ireo no «avotry ny kiririokan’ny FAT » tamin’ny ora farany, anisan’izany ny TGV, izay antokon’ny fitondrana FAT, izay tsy nahafeno lisitra hatramin’ny ora farany, satria samy te hiditra lohany avokoa ireo nantsoina hameno izany. Resaka tsiambaratelo avy ao anatin’ny antoko aza no nahalalana fa olona 10 amin’ireo 24 tsy maintsy lisitra iray no hany mbola hita hatramin’io sabotsy nivoahan’ny didim-panjakana io. Tahaka izany koa ny TIM Raharinaivo sy ny MASTERS, izay tsy mbola nahafeno koa ny lisitra ahitana olona 24 tamin’io sabotsy io. Eo koa ireo nihemotra tamin’ny ora farany toy ny MDM sy ny VITAL Fampandrosoana izay tsy afaka noho ny fepetra noraisin’ny filohan’ny antoko sy fikambanana misy azy ireo.
 
RTT sy Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT