Tokony ho efa vita anio avokoa ny fanaterana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly voatery naverina any amin’ireo kaominina 19 manerana ny nosy
Orana
Orana arstifisialy no nirotsaraka teto Antananarivo Renivohitra sy ny faritra manodidina azy omaly tontolo. Mety mbola hitohy ny hetsika raha tsy mety milatsaka ny orana.
Hafanana
Somary ambony kely noho ny mahazatra ny maripana eto amintsika. Na izany aza manakaiky ny vinavina ihany izy amin’ny faritra Analamanga, Androy amin’ity volana novambra ity. Tahaka izany koa ny any SAVA amin’ny desambra ary Ihorombe amin’ny volana janoary 2016.
Loholona
Ny 9 ka hatramin’ny 16 novambra ho avy izao no handraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida amin’ny fifidianana loholona. Noferana ho 450 000 Ar ny saram-pirotsahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.