Actualités

Fifaninanana nahandro ho an’ny ankizy Raikitra ny “Tsikonina 2018” karakarain’ny CUA


  • Zoma 04 Mey 2018

Manomana ny “Tsikonina 2018” ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao.

 Fifaninanana mahandro sakafo Malagasy ho an’ny ankizy izy io,  ka manentana ny ankizy rehetra tsy ankanavaka eo anivon’ny Boriborintany 6 mba handray anjara mavitrika amin’izany ny CUA. Ny fisoratana anarana dia efa manomboka ary hifarana amin’ny fiafaran’ity volana mey ity, izay atao eny anivon’ny Boriborintany misy azy avy na etsy amin’ny Stade Mahamasina, rihana voalohany, varavarana faha-2 ao amin’ny Departemanta misahana ny koltoraly sy ny fiainam-piarahamonina. Ny ankizy 8 taona ka hatramin’ny 12 taona no afaka mandray anjara.  Mamorona vondrona iray misy ankizy 5 (lahy sy vavy). Toy izao ny fizotry ny fifanitsanana : ny 6 jona 2018 ny ao amin’ny boriborintany faharoa sy fahefatra, ny 13 jona 2018 ho an’ny boriborintany fahadimy sy fahenina, ny 20 jona 2018 ny avy ao amin’ny boriboritany voalohany sy fahatelo. Ny famaranana kosa dia ny 29 jona 2018 ao Mahamasina. Tanjona kendren’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanaovana tsikonina ny mba hanomezana lanja ny akora vita Malagasy sy ny fahandroana mba tsy ho very ny soatoavina, indrindra ny firaisankina ho an’ireo ankizy Malagasy. Marihana fa loka goavana no hozaraina ho an’ireo 3 voalohany.

Toky R

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT