Sarah Antsa Ramarojaona 23 taona, Joanina Razafindrakoto 30 taona, ary Herilalaina Ravelomanana fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Sefo lalaina, 40 taona no anisan’ireo tanora telo mendrika indrindra tamin’ilay fifaninanana mamorona tetikasa nokarakarain’ny JCI Ilon’Iarivo.
Omaly no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny anaran’izy ireo tao anatin’ilay tetikasa JCI CYEA Madagascar na ny Creative Young Entrepreneur Award andiany faharoa. Nampiavaka azy telo mianadahy ireto ny fahaizany mamorona zava-baovao hatrany ankoatra ny fahaizany mampiaina ireo tetikasa izay novolavolainy hifanaraka amin’ny zava-misy. Fandehanana mankany Azia, miampy tany 300 m2 any Soavinimerina sy fiofanana avy amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena no fanomezana azon’izy ireo. Ny 26 septambra ho avy izao no hanolorana ny loka ho azy ireo. Tsiahivina moa fa ny taona 2007 no niorina ny JCI Ilon’Iarivo. Tanjona amin’ny fikarakarana fifaninana tahaka izao ny mba hahafahana manome valim-pitia sy manosika ireo tanora manampahaizana izay notsindrian’ny sefo Lalaina manokana fa tsy dia misy mpijery loatra eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.