Actualités

Fifaninanana ho mpiasan’ny hetra Mpiadina 21 000 eran’i Madagasikara


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Mpiadina 8 000 no niatrika ny fanombohan’ny fifaninanana ho mpanara-maso ny hetra izay nanomboka omaly tato anatin’ny faritra Analamanga ary nahatratra 3 900 kosa ny isan’ireo mpiasa.

 Tsy  nisy olana ny andro  voalohan’ny fifaninanana. Tamin’ireo mpiadina niatrika ny fifaninanana tao amin’ny Lisea  Jean Joseph Rabearivelo dia  zato no mpiadina tsy tonga. Marihina fa  tonga dia mihintsana avy hatrany amin’ny  fifaninanana ireo mpiadina tsy niatrika ny andro voalohany. Anisan’ny maha be ahiahy ny mpifaninana amin’ity fakana mpiasam-panjakana ho mpanara-maso ny hetra ity ny fangaraharahana  eo amin’ny fifaninanana. Nanome toky anefa  Atoa  Andrianaivo Hery Lalao lehiben’ny  toeram-piadinana tao amin’ny Lisea JJ Rabearivelo fa tsy misy atahorana ny hisian’ny kolikoly. Miara-miasa amin’ny fanatontosana izao fifaninanana izao ny minisiteran’ny Asa sy ny Lalàna  sosialy,  ny Bianco ary ny  sampan’asa mpanara-maso ny hetra. Tsiahivina fa mpanara-maso ny hetra 200 no horaisina ho mpiasam-panjakana ary 200 hafa mpiasa tsotra  ao amin’ireo mpiadina  mahatratra 21 000 eran’i Madagasikara.

Andry Ratovo  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT