Mpiadina 8 000 no niatrika ny fanombohan’ny fifaninanana ho mpanara-maso ny hetra izay nanomboka omaly tato anatin’ny faritra Analamanga ary nahatratra 3 900 kosa ny isan’ireo mpiasa.
Tsy nisy olana ny andro voalohan’ny fifaninanana. Tamin’ireo mpiadina niatrika ny fifaninanana tao amin’ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo dia zato no mpiadina tsy tonga. Marihina fa tonga dia mihintsana avy hatrany amin’ny fifaninanana ireo mpiadina tsy niatrika ny andro voalohany. Anisan’ny maha be ahiahy ny mpifaninana amin’ity fakana mpiasam-panjakana ho mpanara-maso ny hetra ity ny fangaraharahana eo amin’ny fifaninanana. Nanome toky anefa Atoa Andrianaivo Hery Lalao lehiben’ny toeram-piadinana tao amin’ny Lisea JJ Rabearivelo fa tsy misy atahorana ny hisian’ny kolikoly. Miara-miasa amin’ny fanatontosana izao fifaninanana izao ny minisiteran’ny Asa sy ny Lalàna sosialy, ny Bianco ary ny sampan’asa mpanara-maso ny hetra. Tsiahivina fa mpanara-maso ny hetra 200 no horaisina ho mpiasam-panjakana ary 200 hafa mpiasa tsotra ao amin’ireo mpiadina mahatratra 21 000 eran’i Madagasikara.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.