Actualités

Fifaninanana hidirana ho polisy Nilamina ny tany Antsirabe


  • Alatsinainy 17 Novambra 2014

Nizotra tam-pilaminana tanteraka ny fanadinana hidirana ho mpianatra polisim-pirenena raha ny tetao Antsirabe.

Ny Lisea Andre Resampa moa no nanaovana izany tany an-toerana. Nambaran’ny kaomisera Divizionera, Talily Damy fa efa hentitra ny fanaraha-maso sy ny fifantenana ireo mpiadina, indrindra tamin’ny halavana sy ny lafiny ara-pahasalamana ka hiavaka mihitsy ireo mpiofana vao horaisina. Ny fanadinana ho an’ireo hiofana ho Inspektera sy ny “Agent de police” moa ireto niadina tao Antsirabe ireto, fa any amin’ny renivohi-paritany ny Kaomisera sy ny Ofisie no miadina. Nahatratra 276 ny mpiadina ho agent raha 95 ny Inspektera, izay nidina io isa io raha nitaha ny hatramin’izay.Tahaka ireo fanadinam-panjakana natao tato ho ato moa dia tazana hatrany ny Bianco, izay miara-miasa amin’ny fanjakana sy ny Minisitera ka nambaran-dRtoa Rasoanjanahary Elysa fa mandra-pivoakan’ny valim-panadinana dia tsy miala mihitsy ny bianco mba hiantohana ny fahamarinan’ny ezaky ny mpiadina. Fantatra moa fa mbola hisy ny adina ara-bava sy ara-panatanjahantena ho an’ireo izay afaka amin’ity adina an-tsoratra ity, mialoha ny hidirany ao amin’ny sekoly fanofanana eto Antsirabe ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT