Actualités

Fifanarahana teny Mahazoarivo Hampidinina 72 000 Ar ny gonim-bary


  • Talata 05 Desambra 2017

Nisy omaly alatsinainy 04 desambra ny fivoriana notarihin’ny lehiben’ny goverenemanta praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, manoloana ny fidangan’ny vidim-bary izay mitranga amin’izao fotoana, nentina nijerena ireo vahaolana hampidinana izany.

 Nanambara ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana Rafidy Josielle fa “miara-miasa amin’ny minisitera isan-tsokajiny ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana amin’ny ezaka atao amin’ny fidinan’ny vidim-bary. Misy, araka izany, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha mpanafatra vary sy ireo mpambongady ary ireo mpaninjara izay tsy maintsy hamafisina amin’ny sehatry ny fanaraha-maso”. Eo ihany koa ny fijerena ny vidim-bary miainga any amin’ny mpanafatra vary mankany amin’ny mpanjinjara entana madinika. Hisy hetsika manokana atao manomboka rahampitso amin’ny fanaraha-maso ny vidim-bary manerana an’i Madagasikara. Hojerena ny lalana alehan’ny vary avy any amin’ny mpanafatra vary sy amin’ireo mpamogady. Efa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny mpanafatra vary any Toamasina mba hahatonga ny vidim-bary ho 72.000Ariary ny gony, araka ny nambara omaly. Nisy ny fanaovan-tsonia niarahana tamin’ny mpanafatra vary tamin’ny faran’ny herindrandro mba hitazonan’izy ireo io vidim-bary io. Tonga nanatrika ny fivoriana ny minisitry ny indostria, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ny tale kabinetran’ny primatiora, ary ireo teknisianina ao amin’ny ministeran’ny varotra sy ny fanjifana. Miandry izay tena ho fiantraikan’izany ny rehetra mba tsy ho resaka ambony latabatra hatrany.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT