Actualités

Fifanaraham-piaraha-miasa «Frantsa – Madagasikara» Manazava ny ambasadaoro frantsay Jean-Marc Châtaigner


  • Alatsinainy 03 Mey 2010

Taorian’ny lahatsoratra navoakan’ny Tia Tanindrazana ny alarobia 28 aprily 2010, momba ny fifanarahan’i Pretoria izay noharina tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny taona 1960 dia nitondra fanamarihana toy izao manaraka izao ny ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Jean-Marc Châtaigner.

Nambarany fa «ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Lafrantsa sy Madagasikara nosoniavina tamin’ny 27 jona 1960 dia tsy manan-kery intsony efa ho 37 taona izay. Nofoanana ny 04 jona 1973 izy io rehefa nifanaraka ny rehetra». Manazava ny ambasadaoro frantsay fa «ny fifanarahana momba ny fiarovam-pirenena koa dia foana tamin’ny 25 janoary 1973 rehefa nifanaraka ihany ny rehetra». Araka izany, ny fifanaraham-piaraha-miasa ankapobeny izay mamaritra ny fifandraisana eo amin’i Lafrantsa sy Madagasikara dia ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny 04 jona 1973. Azon’ny roa tonta atao ny mifampiraharaha indray an’io fanarahana io, kanefa tsy misy fe-potoana izany ary tsy araka ny voalaza fa hifarana amin’ny volana jona 2010. Manamafy i Jean-Marc Châtaigner fa «tsy manan-kevitra mihitsy ny hangataka fifampiraharahana vaovao an’io fifanarahana io amin’ny taona manaraka. Kanefa kosa, Lafrantsa dia misokatra foana ao anatin’ny foto-pisainan’ny fiombonana antoka, amin’izay soso-kevitra haroson’ny firenena Malagasy. Na izany aza, tsy misy fifampiraharahana azo atao momba io lohahevitra io raha tsy tafapetraka amin’ny laoniny ny ara-dalàna demokratika malagasy miaraka amin’ny fifidianana Antenimiera vaovao sy filohan’ny Repoblika vaovao».

Mikasika ny fiaraha-miasa ara-miaramila indray dia manazava ity ambasadaoro frantsay ity fa «fifanarahana manokana no mitondra azy io ary niara-nanao sonia izany ny jeneraly diviziona Marcel Ranjeva sy ny masoivoho nodimbiasako toerana Camille Rohou. Io fifanarahana io dia azo havaozina isaky ny telo taona amin’ny alalan’ny fanohizana tsy loa-body (tacite reconduction), raha tsy hoe angaha, mangataka ny hanaovana izany ny iray amin’ny roa tonta». «Faniratsirana ara-tsaina» no andraisan’ny ambasadaoro frantsay Jean-Marc Châtaigner ny fampitahana ny vinam-pifanarahan’ny Pretoria amin’ireo fifanaraham-piaraha-miasa ireo. Aminy, ny fifanarahan’ny Pretoria, sahala amin’ny fifanarahan’ny Maputo sy Addis Abeba, dia fifanarahana politika nifampidinihan’ny samy Malagasy. Tsy vinavina «frantsay» izy io, araka izay re etsy sy eroa, fa vokatry ny hetsika miaraka nataon’ny Frantsay sy ny Afrikanina Tatsimo izay notanterahina teo ambany fiaraha-midiniky ny mpanelanelana Joaquim Chissano, ary tafiditra ao anatin’ny fanohanana ny ezaka izay ataon’ny Firaisambe Afrikanina. Ny fifanaraham-piaraha-miasa kosa, aminy ihany, dia fifanarahana voasonia eo amin’ny Fanjakana samy masi-mandidy, dia i Frantsa sy Madagasikara.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tĂ nana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT