Actualités

“Fifanampiana malagasy” Manampy hatrany mpiara-belona


  • Talata 05 Mey 2015

Taorian’ny nananganany an’ireo sekoly tamina Faritra maromaro teto amin’ny nosy mba hanomezana fanabezana ho olom-banona ny zanaky ny fianakaviana tra-pahasahiranana dia manohy ny asa fanampiana ireo mpiara-belona indray

 

amin’ny fanomezana zavatra ireo sokajin’olona marefo ka  ny Fifanampiana Malagasy Nandray anjara tamin’ny fiahiana ny Malagasy sahirana tsy an-kanavaka ny fikambanana, taty aoriana ka nahatsangana sekoly tamina faritra maromaro teto amin’ny nosy. Nanome fanabeazana ho olom-banona ny zanaky ny fianakaviana tra-pahasahiranana ny Fifanampiana Malagasy, hatramin’izay, ary mizara fanampiana in-droa isan-taona ho an’ireo sokajin’olona marefo ka notoloran’ny fikambanana “kitapo vatsy” tsirairay avy ny zokiolona 300 avy amin’ny boriborintany enina teto an-drenivohitra nasainy tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny sabotsy teo. Fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity hetsika iray ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, ny Dr Randrianalison. Marihina fa manana sampana 56 mielipatrana manerana ny nosy ny Fifanampiana malagasy izay manampy ny andavanandrom-piainan’ny olona tokoa. Mamokatra masomboly hampiasain’ny tantsaha, ohatra, ny ao Nasandratrony-Fianarantsoa, nanolotra lakana ho an’ny mpanjono ny tany Toliara ary nahatsangana sekoly ny tany Ambanja. Tamin’ny 03mey 1950 no niforonan’ny Fifanampiana Malagasy ka tohin’ny lanonana fankalazana ny tsingerintaona faha-65 niforonan’ny fikambanana io fanampiana ny zokiolona teto Antananarivo.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT