Actualités

Fifanakalozana ara-barotra Mifanakalo traikefa mandritra ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Tanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny Antenimieran’ny varotra etsy Antaninarenina ny atrikasa hiarahan’ireo sehatra tsy miankina sy ny fanjakana momba ny fanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra hiarahantsika amin’ny Antenimieran’ny varotra iraisam-pirenena.

 Natao izany hahafahana mametraka tsara ilay fifanarahana momba ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra izay nanaovan’ny governemanta malagasy sonia, raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana Rabenja Eric. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso akaiky ny famoahana ny entana eto amintsika izay tokony hiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana hahafahana mampihena ny fotoana lany amin’izany. Hisy ihany koa ny fijerena ny olana mbola sedraintsika sy ny tolo-tanana mety ilaina raha mila tohana ara-bola avy amin’ny fanjakana isika na tsia. Haharitra roa andro izany.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT