Olon-tsotra 1 namoy ny ainy ary 7 kosa no naratra nandritra ny fanafihan’ny Emmo-Reg sy ny Fis ny tobin’ny Fign omaly. Voan’ny bala avokoa na ilay maty na ireo naratra afa tsy iray ihany no naratra vokatry ny fianjerana.
Raharinjatovo Seth, 65 taona, ity namoy ny ainy ity ka raha ny fanazavan’ny zanany lahy dia voatifitra teo amin’ny takibany tamina trano iray niafenany izy. «Rehefa nanomboka ny fifampitifirana dia nirohotra niafina tamin’ny tranon’olona teny amin’ny Mausolée teny izy sy ny olona maro be. Izy no farany indrindra ka teo no nahavoatifitra azy tokony ho tamin’ny 11 ora teo ho eo. Ireo miaramila niakatra avy aty amin’ny Foyer de Vie ireo nitifitra ireo raha ny fanazavan’ilay olona nitondra azy tany amin’ny hopitaly», hoy ny zanak’i tompokolahy. Noho ny faheverezan-dra tao anatin’ny vatany “hemorragie interne” no nolazain’ny mpitsabo fa nahafaty azy. Marihina fa tamin’ny 12 ora sy fahefany izy no tonga tao amin’ny hopitaly ary nahazo ny fitsaboana sahaza azy teny amin’ny hopitaly ary mbola niresaka ihany koa. Tsy tana intsony anefa ny ainy tamin’ny 2 ora mahery kely. Ho an’ireo maratra kosa indray dia misy no voan’ny bala teo amin’ny ranjony sy teo amin’ny tanany. Anisan’izany i Nirina izay voa teo amin’ny kihony. Mpamily mpanampy ao amin’ny zotra 146 ny tenany ary efa niafina tao anatin’ny trano hazo iray teo ampitan’ny “publiphone” izy no voan’ny balan’ireo miaramila. “Roalahy izahay no voa ka teo amin’ny tongony indray no niantefa ny bala ho an’io namako io. Mpamily mpanampy koa izy”, hoy i Nirina. Nomarihiny fa miaramila misatroka kasikety misy soratra FIS no nitifitra azy ireo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny sampandraharahan’ny famelomanaina aina izy ankehitriny. Marihina fa nisy vehivavy 2 no naratra ka ramatoa lehibe iray 65 taona ny iray. Rangahy iray kosa no nolalovan’ny bala teo amin’ny feny havanana ka notsaboina teo anivon’ny “Infirmerie”-n’ny FIGN. Nalefa nody avy hatrany izy rehefa hita fa tsy misy ahiana ny ratrany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.