Fifampitifirana tany Betroka Kapiteny zandary iray maty
Fifampitifirana tany Betroka
Kapiteny zandary iray maty
Maty omaly tolak’andro tao Ihosy ny kapiteny Falihery, komandin’ny kaompanian’ny zandary ao amin’ny Distrikan’i Betroka.
Nifandona tamina andiana dahalo miisa 400 mahery tao Mangalahily, tanàna ao amin’ny Kaominina Ivahona ao amin’ny Distrikan’i Betroka ny andiana zandary nentin’ity kapiteny ity sy ny miaramila izay nalefa hampandry tany any Betroka amin’izao fotoana izao. Nandritra ny fifampitifirana no nahavoa ny kapiteny Falihery ka nentina tamin’ny angidimby nankany Ihosy saika hotsaboina izy izao tsy tana izao ny ainy.
Ankoatra ny kapiteny Falihery dia nisy tompon’omby miisa telo ihany koa no maty ary miaramila roa hafa mbola tsaboina any Sakalalina noho ny ratra lehibe nahazo azy ireo. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra dia tsy mbola fantatra ny isan’ny omby very fa raha ny vaovao azo avy amin’ny zandary any an-toerana kosa dia dahalo 25 no maty nandritra ny fifandonana. Ankoatra izay dia may ny tanànan’i Mangalahily.
Araka ny vaovao voaray dia vokatry ny fifanolanana efa ela eo amin’ny zanapoko Zafindravala sy ny Bara Zafindrendriko no mbola niitatra ka nahatonga izao halatra mifangaro fifamonoana tao Mangalahily izao. Tsy mbola nilamina akory ny raharaha
Manoloana izao tsy fandriampahalemana any Betroka izao dia maro ireo tsy faly amin’ny tsy fandraisana andraikitry ny Solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas kanefa mba filohan’ny komity misahana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ihany ny tenany. Ny mampitahotra ny mpiasam-panjakana amin’ny famindran-toerana no tena mampalaza azy hoy indray ny hafa.
Ny mponina any an-toerana ihany koa dia mahalala fa misy tompon’andraikitra ambony akaiky ny fanjakana misy ankehitriny no mifandray tendro amin’ny malaso sy mamatsy azy ireo bala sy basy ary miaro ihany koa ireo mpanao afera na basy any an-toerana saingy noho ny fahefany dia tsy misy mahasahy miteny hatramin’izao. Mampalahelo.
Andry Ratovo
Mafana fo amin’ny fanenjehana dahalo i Kapiteny Falihery
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.