Nifarana ny alahady 08 aogositra rehefa naharitra hadimiana ny FIERMADA. Andiany faha-12 no natao tamin’ity taona ity, tao amin’ny tokotany malalaky ny sekoly ESCA Antanimena.
Foara mitodika kokoa amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivolo ny FIERMADA ary sehatra ihany koa mampifandray mivantana ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola sy ny tantsaha mpamokatra. Nahafaly ireto farany ity andiny faha-12 vao nivalona ity. Nitombo 75% ny isan’ny tranoheva tamin’ity, ka 175 raha 120 tamin’ny andiany farany. Nitombo 50% ihany koa ny mpitsidika ka tafakatra 50.000 izany raha 30.000 tamin’ny andiany farany. Tsara noho izany ny tsena satria dia havitsiana sisa ny tranoheva nahitana entana tamin’ny andron’ny famaranana, fa dia lany nialoha ny fotoana ny ankamaroany. Nifanotofan’ny mpanjifa ireo tranohevan’ny tantsaha. Maro koa ny mpitsidika nanao famandrihana. Fa Nampiavaka ny foara tamin’ity koa ny hamaroan’ny ministera nandray anjara satria dia tranoheva folo be izao no nisy azy ireo, nanakaikezana kokoa ny tantsaha. Tanjon’ny mpikarakara amin’ny taona ho avy, hampitombo ny isan’ny tranoheva hahafahan’ny tantsaha sy ny kaoperativa mampiranty sy mampahafantatra ny vokany. Na dia alahady aza ny andro omaly sady famaranana ny FIERMADA dia maro ny mpitsidika tonga teny Antanimena. Nanafana ny fotoana tamin’io koa ny tarika mpanao vakodrazana Bakomanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.