Hotontosaina ao amin’ny tokotany malalaky ny kolejy Esca Antanimena ny 04 ka hatramin’ny 08 aogositra izao ny andiany faha-12 amin’ny Fier-Mada izay ampirantiana sy ivarotan’ireo tantsaha mpandray anjara ny vokatry ny taniny sy ifanakalozan’izy ireo vaovao momba ny tsena amin’ny ankapobeny toy ny vidim-bokatra sy ny lalam-barotra ihany koa. Mandritra ny hetsika koa no ifaneraserana amin’ny vondron’olona isan-karazany ahitana ireo mpamatsy vola enti-manatsara ny eo am-pelatanana. «Fifanasoavana, fifanakalozana malalaka sy ara-drariny, fiahiana ara-tsosialy tanteraka ny mpamokatra eny Ambanivohitra» no lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity. Mpitsidika 50.000 no andrasana amin’ity andiany ity hitsidika ireo tranoheva 130 raha tsy mihoatra120 hatrany izany teo aloha. Ny volana aprily 2010 teo dia efa nisy namandrika toerana ireo mpamokatra noho ny tombontsoa azony hatramin’izay, hoy Ramanantsoa Jacques, mpikarakara.
Ho fitaratr’i Madagasikara koa ny Fier Mada 2010 raha ny nambaran’ity farany ihany satria samy hanana solontena izay hampiseho ny voka-pambolena sy fiompiany ary koa ny filany avokoa ny Faritra 22. Tsy diso anjara koa anefa ireo ministera izay 15 no handefa teknisianina eny an-toerana mba hanome valiny eo no ho eo amin’izay fanontaniana mety manitikitika ny mpandray anjara sy mpitsidika. Ho an’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana manokana dia hisy ny famelabelaran-kevitra momba ny fananantany, ny ady tany ary ny fangatahana tanim-panjakana mandritra io fotoana io. Ankoatra izay dia tontosaina ny 06 sy 07 aogositra ny atrikasa momba ny sosialin’ny mponina sy ny sehatry ny fihariana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.