Actualités

Fidy mpanentana Nisy nandrahona an-telefaonina


  • Zoma 31 Aogositra 2012

Taorian’ny fanambarana nataony mikasika ny faminanian’ny Pastera Mailhol, dia voalazan’i Fidy mpanentana fa maro be ireo olona niantso azy izay liana sy te hahalala ireo zavatra ao ambadiky ny zava-misy ankehitriny na lafim-piainana izany na manodidina ny krizy

 Namoaka ny fanambarana nataony ny ankamaroan’ny haino aman-jery ary anisan’ny nasain’ny fahitalavitra iray izy nanazava io fanambarana mikasika ny faminaniana azony io. Taorian’io anefa dia nolazain’i Fidy mpanentana fa nisy nandrahona ny tenany. Olona niantso tsy nampiseho laharana, hoy ny nambarany izany ary manova feo. «Ajanony io zavatra ataonao io fa fantatray tsara ianao ary hitanay ny misy anao». Io no nambarany fa fandrahonana nataon’io olon-tsy fantatra io taminy. Nanomboka teo dia tsy nandray antso tsy miseho laharana intsony izy. Manadio saina tsy miahiahy olombelona na iza na iza aho, hoy izy,  satria fantatro fa asan-devoly sy fanahy ratsy no ao ambadik’izany. 

 
Nanipika hatrany koa i Fidy mpanentana fa tsy fanalam-baraka ny Pastera Mailhol ny nolazainy mikasika ny faminaniana azony. Betsaka, hoy izy, ny mpaminany mifanohitra hevitra ao anatin’ny baiboly raha tsy handinika afa-tsy ny ao amin’ny Jeremia 28 sy ny tantaran’i Mikay mpaminany fotsiny ihany isika. Nambarany, araka izany, fa zanaky ny Pastera Mailhol ara-panahy ny tenany ary mandray ny tenin’Andriamanitra manao hoe “ny zanaka tsy mahay manao na inona na inona afa-tsy izay hitany ataon’ny rainy”. Nolazainy fa ananany porofo ny zavatra nambarany tahaka ny fomba fampitan’ny Pastera Mailhol ny faminaniana azony sy ny fampianarany ny bokin’ny Apokalypsy ihany izay nosoritany fa tsotra sy mazava ary mahitsy. Ao anatin’ny CD avokoa izany, hoy izy, izay manaporofo ny zavatra rehetra nolazainy mba tsy hahatonga ny resaka ho resa-poana. Ao ihany koa ny programan’ny devoly tiany hotanterahana isaky ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany ary hita ao anatin’izany ihany koa ny toromarika sy torolalana ara-panahy hialana aminy. 
 
Mikasika ny filazan’ny Pastera Mailhol fa hilatsaka hofidiana ho filoha ny tenany amin’ny taona 2013 dia nanazava i Fidy mpanentana fa manan-jo hanao izany izy saingy tamin’ity dia nafangarony sy nasaringony tamin’ny ara-panahy ary nanononana ny anaran’Andriamanitra ny resaka. Iza no tena irak’Andriamanitra ?
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT