Hitako tamin’ny fahitana sy fantatro tamin’ny fikarohana sy ny fandinihana lalina nataoko nandritry ny taona maro, hoy ny mpitondra fivavahana fantatra amin’ny anarana hoe Fidy mpanentana, ireo fototry ny olam-pirenena nahatonga antsika ho amin’ny toe-draharaha misy ankehitriny.
Izy ireo no fototra nampisy sy nampitombo hatrany ny olana sy ny krizy, ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly ary ny fahantrana efa tena mampikaikaika sy efa tena mampijaly ka mampahory fadiranovana tanteraka mihitsy ny gasy rehetra teto Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavany. Mbola mahatonga azy tsy mety ahitana sy ahazoana izay vahaolana haingana sy maharitra mihitsy hatramin’izay ka hatramin'izao io fototr’olana tsy fantatra io. Izy ireo koa no tena nahatonga an’i Madagasikara sy ny gasy ho lasa firenena sy vahoaka mahantra indrindra eran-tany. Tsy vita amin’ny radio sy tele daholo anefa ny fampahafantarana sy ny fanazavana azy ireo ary misy aza ny tompon’andraikitra ao amin’ny radio sy tele sasany no tena tsy manaiky mihitsy ny hiresahana sy hanazavana ny sasany amin’izy ireo. Noho izany dia tamin’ny alalan’ny fandraketana azy ao anaty kapila DVD no nanaovako ny fampahafatarana sy ny fanazavana tsara azy rehetra, hoy ity mpitondra fivavahana ity. Mila mijery sy mihaino ary mandinika sara amin’ny fo sy saina tony sady tena tsy miandany ny sary sy ny feo sy ny fanazavana rehetra noraketiko ato anatin’ity dvd ity aloha, mialoha ny hifidianana izay olona ho filoham-pirenena sy ho mpitondra fanjakana vaovao indray ho ao amin’ireo andrim-panjakana isan’ambaratonga eto Madagasikara. Nanao antsoavo ny Malagasy rehetra hanampy amin’ny fanapariahana ireo kapila mirakitra ity tsiambaratelon’i Madagasikara iriany havoaka ity moa ny tenany, raha ny nambarany hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.