“Maso njola ho an’ny roa, Diplaoma diso ho an’iray”. Ireo no fepetra nentina nanilihana mpifaninana ho mpianatra ho Kaomisera tamin’ny taon-dasa na tsy mitombona aza izany araka ny fiheveran’ny fianakaviana.
Nanatitra fitarainana teny amin’ny “Doléances Présidence”, tamin’ny herinandro teo, ny mpiadina iray nifaninana ho manam-boninahitra teo anivon’ny Polisim-pirenena ny taona 2017. “Efa nanatona ireo rafitra miady amin’ny kolikoly tahaka ny Bianco sy ny PAC izahay ary fa mbola miandry ny tohiny.” Hoy ny ray sy renin’ny mpiadina iray. Nilaza izy ireo fa efa niakatra fitsarana ny raharaha fa nandresy ny Polisim-pirenena na efa nentina avokoa aza ny porofo. Anisan’izany ny avy amin’ny dokoteram-panjakana fa tsy gila ireo roalahy. Nentina teo amin’ny fitsarana koa ny fanamarinana nataon’ny vadintany ny mampitombona ny diplaoman’ny mpianatra iray. Tsahivina moa fa ny taona 2017 no natao ny sivana, ka voaray niadina am-bava sy ny fanatanjahan-tena izy telo mirahalahy ireo ny voalohan’ny toana 2018. Gaga anefa izy ireo fa nisy tsy nahavita ny hazakazaka 800m sy ny fianihana tady 8m nefa afa-panadinana. Rehefa hita tany amin’ny tribonaly ny naoty, nahazo salan’isa ambony ireo telo fa ilay nahazo ambaniny indray tahaka ny 9/20 no tafiditra. Tsy niditra ara-potoana ny 2 jolay 2018 ireo mpiray mihira tamin’izy ireo noho ity olana ity fa niroso tamin’ny fianarana anefa ireo lazaina fa afa-panadinana ny Novambra teo. Araka ny loharanom-baovaon’ny fianakaviana, misy efatra tsy nahavita ny “formation commune de base” tamin’ireo 20 voaray ka miandrandra ireo voailika mba horaisina amin’izany. Raha nanontany ny tomponandraikitra tany amin’ny Ministera mpiahy ny famoahana “équivalence”, FOP 67ha ny mpanao gazetinay, dia manana ny rariny ny Polisy, tsy nangataka “équivalence” ho an’ny taona faha-4 ny eny Ankatso ka tsy misy lanjany ho mari-pahaizana ny M1. Noho ny lamina LMD dia ny “Licence” sy “M2” ary “Doctorat” ihany no diplaoma. Amin’ny Oniversite tsy miankina no maro ny nangataka ka mijaona ho diplaoma ny bakalorea +2 na “DTS” sy baka+4 ho “Master one” fa “attestation de réussite” fotsiny ho an’Ankatso. Izay lafiny izay no mety nampitombona ny avy amin’ny Polisim-pirenena ka nampandresy ireto farany tany amin’ny fitsarana.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.