Mampametra-panontaniana ihany ny zava-misy amin’izao. Tany tan-dalàna marina ve isika ? Ny alahady antoandro teo, tao an-tampon-tanànan’i Ilakaka, tapaka tsy azo nifamezivezena ny lalam-pirenena fahafito, vokatry ny filaharana nataon’ireo vehivavy sy andiana tanora nilanja sorabaventy nidina an-dalambe nankalaza ny andron’ny 8 martsa.
Nitohana adiny iray ny fifamoivoizana ary an-kilometatra ny fiara nitandahatra (niditra sy nivoaka) ny tanàna. Ny tena nahagaga ny mpampiasa lalana, indrindra ireo vahiny mpandeha tamina taksiborosy maromaro hiakatra aty an-drenivohitra na hidina an’i Toliara, fa nisy tamin’ireo andian’olona nidina an-dalambe ireto (vehivavy sy tovolahy nitondra kiririoka) nanompa sy naniratsira ireo mpandeha sy mpamily fiara, ka nahatezitra ireto farany.
Voakarama ?
Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga an’ireto andian’olona nihantsy ady. Tsy hay na voakarama izy ireo hanakorontana hisian’ny sakoroka na ny toaka nosotroin’izy ireo no nanonja loatra. Raikitra ihany koa ny ady vola ka nampiahiahy ny mpitazana. Tetsy an-daniny, nitazam-potsiny tsy afaka nanao na inona na inona ny mpitandro ny filaminana, ka niliba ireo mpanakorontana. Raha ny loharanom-baovao dia marisarisa hatramin’ny nisian’ny vono olona nisesy tao Ilakaka ny fifandraisana eo amin’ny mponina any an-toerana sy ny mpitandro ny filaminana, satria ny alakamisy teo, nisy andian’olona nitaky hanaovana fitsaram-bahoaka an’ireo olona maromaro voasambotry ny zandary voasaringotra tamin’ny famonoana mpandraharaha tany an-toerana ny 28 febroary lasa teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.