Actualités

Fidarohana an’i Jean Pierre Mody fanina ny mpitandro filaminana


  • Alarobia 02 Septambra 2015

Tena voadaroka i Jean Pierre, ilay mpianatra nosamborin’ny Emmo Reg teny Ankatso ny alatsinainy lasa teo ary nanaporofo izany ny fitsirihana nataon’ny dokotera taminy omaly fa tena voan’ny antsoina hoe « traumatisme multiple » izy.

 


 

Nanamafy izany ihany koa i Maitre Willy Razafinjatovo mpisolovava azy raha niatrika famotorana teny amin’ny fitsarana Anosy omaly. Namela an’i Jean Pierre handeha hody hitsabo tena mandra-piandry ny fitsarana azy anio amin’ny 1 ora antoandro moa ny mpitsara nanadihady azy omaly. Nanizingizina koa ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny jeneraly Florens Rakotomahanina fa salama tsara i Jean Pierre ary rariny sy hitsiny ny fihetsika nataon’ny Emmo Reg tamin’ny nisamborana azy, satria efa toy ireny mihitsy no fomba fiasa rehefa henjankenjana ny mpanao fihetsiketsehana. Ny rehetra anefa dia nahita fa feno herisetra no nisamborana ity mpianatra amin’ny taranja Malagasy eny Ankatso ity ary tena nanaram-po nidaroka mihitsy ny mpitandro filaminana, totohondry, daka, daroka amin’ny fitaovana, tolona no hita an-tsary fa natao taminy. Olon-tsotra sy fikambanana maro no nanameloka izany fihetsika izany. Ho hita eo indray moa ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba an’i Jean Pierre anio.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT