Nitohy tany Toamasina ny fitsidihana nataon’i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy omaly alakamisy 22 febroary, taorian’ny tany Brickaville, Andovoranto ary Vatomandry.
Nifampiarahabana tratry ny taona sy nanamarika ny tsingerin-taonan’ny antoko Tiako I Madagasikara tamin’ny mpanohana tao amin’ny hotely “Le bateau Ivre”. Nambarany nandritra izany, fa “tsy mendrika ny Malagasy izao fahoriam-piainana iainany ankehitriny izao; koa firenena mandroso sy vanona no tanjontsika satria efa miandrandra izany ny vahoaka Malagasy sempotry ny fahantrana”. “Raha isika no eo dia ho lavitry ny fiainan’ny Malagasy izany fividianana vary lafo izany; tsy maintsy mandeha an-tsekoly avokoa ny zanaka Malagasy; ary haintsika ny mihefy io vidim-piainana tsy mitsahatra mitontongana io”, hoyizy. Nohararaotiny nohazavaina ny mikasika ny TIM (Tiako I Madagasikara) sy KMMR (Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana). Ny TIM, hoy izy, dia antoko miezaka manamafy hatrany ny ambaindainy amin’ny fanokafanana varavarana sy tsy fanilihana ny hafa ary ny fiantsoana ireo efa nisitaka mbola vonona hifanome tànana amin’ny fampandrosoana. Ny KMMR kosa dia Fivondronan’ireo fikambanana sy antoko politika ary ireo olona manohana azy, ka niantsoany azy ireo hanamafy ity fikambanam-be ity ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana miaraka satria “ny tonga miaraka dia fanombohana, fa ny fiarahan’ny rehetra miasa miaraka no antoky ny fahombiazana”. Hafatra tena lehibe napetrany ny hoe: “aza manaiky vidim-bola sy hajao ny safidinareo, ka sahia hiara-dia fa tsy mora izany miady amin’ny fampandrosoana izany noho ny zava-misy”. Rehefa vita ny fihaonana tao amin’ny Le Bateau Ivre, dia namonjy ny trano fandraisam-bahiny misy azy tamin’ny alalan’ny dia an-tongotra, ka nahafahany nitafa sy niresaka mivantana tamin’ireo olona teny an-dàlana sy nankahery azy. Nitaraina taminy sy maniry ny firotsahany ho fidiana, kosa ny andaniny.
Rakoutou sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.