Actualités

Fidangan’ny vidim-bary sy vidin-tsolika Hihetsika ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Ela ny ela fa nifoha tamin’ny torimasony ireo Federasionin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na ny FAC manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana, indrindra fa ny solika sy vary.

Omaly ary dia nisy ny fanambarana nataon’ny FIZOMPAM (Fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa Malagasy) sy ny GARDUC (Groupe d'Actions et de Réflexion pour la Défense des Usagers et des Consommateurs) mpikambana ao amin’ity FAC ity manoloana ny fisondrobidin’ny solika lava izao sy ny fikaikaikan’ny vahoaka isan-tsokajiny manoloana izany. Hentitra ny fanambaran’ireo vovonana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity, fa mila manome vahaolana mivaingana eo amin’ny resaka fampidinana ny vidim-bary sy vidin-tsolika ny fanjakana. Nanome 48 ora ho an’ny mpitondra izy ireo amin’izany, ka raha sanatria tsy misy ny valiny mahafa-po, dia hisy ny fandraisana fanapahan-kevitra sy hetsika hatao amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy io ka hiantsoany ny mpanjifa tsy an-kanavaka. Tsy hay aloha izay ho setriny avy amin’ny fanjakana satria efa ela ihany ny fimenomenonan’ny vahoaka, saingy tsy nisy ny tena vahaolana nivaingana. Nialoha io fanambarana io aza dia mbola nilaza ny praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier, fa misy ny ezaka ataon’ny goverenemanta, ka aoka tsy hasiana karazana fihantsiana, hoy izy. Efa nisy foana ny fiantsoana ireo tompon’andraikitra amin’ny fandraharahana momba ny vary teny Iavoloha niaraka tamin’ny Filoham-pirenena, dia ny mpanafatra,  mpaninjara, tompon’andraikitra amin’ny fitaterana,… ka hita tamin’izay rehefa natao ny fanadihadiana, fa eny anivon’ireny mpaninjara ireny matetika misy ny fananararaotana. Eo ihany koa ny fiovaovan’ny toetr’andro, dia tsy niakatra araka ny nieritreretana azy ny vokatra, ka aza adino izay, hoy ny praiminisitra. Ny vary avy any ivelany dia karazana fanampiny ihany, saingy mitsimbadika ny rasa,  ka izay no nahatonga ny governemanta nanafatra vary, hoy hatrany ny praiminisitra. Sahiko ny milaza fa miakatra ny vokatra, miakatra ny vidim-bary, fa dia misy ihany koa ny ezaka atao mba hampidina azy,… Misy ny manitrika ny tahiry, ary isan’ny nahatratrana izany tany Toamasina! Tsy olan’ny governemanta samirery, fa mila mandray andraikitra ny rehetra manoloana ny fanararaotana, fa efa manao izay fomba rehetra hidinan’ny vidim-bary ny fanjakana, raha ny nambarany. Ho an’ny vahoaka kosa asa mivaingana sy zavatra azo tsapain-tànana no ilainy fa tsy ny “efa…efa….”  efa ho  lava. Na hilaza ho efa nahatratra mpanararaotra amina resaka vidim-bary an’arivony aza kanefa mbola 700 na 800Ar ny vidiny, dia zavatra tsy misy dikany izany ho an’ny besinimaro satria ny fihenan’ny vola miala am-paosiny no fantany, fa tsy kabarain’ny Praiminisitra Mahafaly Olivier milaza fa “efa mandray andraikitra ny governemanta”.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT