Tsy mijanona misondrotra ny vidim-bary eto amintsika kanefa tsy hita izay tena vahaolana maty paika avy amin’ny fanjakana. Niainga tany amin’ny 500Ar, 600Ar, 650Ar, ary efa 700Ar ny kapoaka amin’izao.
Ny any amin’ny faritra sasany aza efa misy 1000Ar sy 1500Ar, saingy fampandriana adrisa no misesisesy. Vahaolana maharitra no andrasan’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poak’aty lava izao. Nambara fa hisy ny fanapahan-kevitra hivoaka, saingy tsy mbola teraka ambatovehohoka hatramin’izao. Tsy misy azon’ny fanjakana atao tokoa ve sa misy ambadika mamohehitra amin’izao zava-misy izao ? Raha tena vonona hamaha olana marina ny mpitondra efa ela no niditra an-tsehatra nanafatra vary mivantana sy naninjara izany na koa nahita hevitra hafa rehefa tsy voafehy ireo mpandraharaha, ary nidina ho azy io vidim-bary io. Lalaovina kosa anefa ny zava-misy amin’izao, izay heverina fa misy ny afera maloto iraisana amin’ireo mpandraharaha mpanararaotra. Zava-misy eto amin’ny firenena rahateo ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny mpandraharaha mpanao afera, indrindra fa ireo vahiny sy ny tompon’andraikitra ambony toy ny minisitra. Misy ireo miara-miombon’antoka amin’ny karana na ny sinoa mba hahafahan’izy ireny manjakazaka sy mifehy ny toekarena eto, ary mandrotsaka volabe any amin’ireo tompon’andraikitra ambony. Lojika araka izany hoe tsy sahy manao na inona na inona ny mpitondra satria efa voatapim-bava, ka dia manao izay tian-katao izy. Mbola sahin’ireny aza ny mampiasa volabe handrsisihana ny mpitondra hamotika ny orinasa Malagasy. Vao manomboka ny fahavaratra izao, kanefa io iaraha-mahita ny vidin-javatra, ary tsy io vary io ihany fa midangana fa ny vidin-javatra rehetra. Lalaovina tanteraka ny zava-misy mba hampalemy ny vahoaka, ka azo lalaovina sy fehezina. Mba nankaiza izao no niafanan’ireo vary 4 000 taonina tamin’ny sinoa ? Efa nataon’ny HVM fitaovana politika hanambazana vahoaka sa miandry pripagandy na hetsika hafa hahafahana manindraindra ny fanjakana? Akaiky ny fifidianana, ka tsy hatao mahagaga raha hisy ny mody vahaolana tampoka aoriana kely mba hakana ny fom-bahoaka indray. Vahaolana tsy maharitra fa mba hatao fotsiny hanambakana sy hisintonana ny fon’ny vahoaka hitodika sy hanohana ny fitondrana efa tsy manjary sy milomano ao anaty afera maizina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.