Mitaraina ny isan-tokantrano amin’ny fidangan’ny faktioran’ny JIRAMA amin’izao fotoana izao.
Mifanohitra amin’izay kosa ny tolotra omen’ity orinasa ity. Raha tapaka ora enina isan’andro mantsy raha kely indrindra ny jiro ho an’ny faritra iray dia vao mainka tafakatra avo roa heny kosa ny faktiora alain’ny JIRAMA rehefa mifarana ny volana, izay tsy misy fanazavana fa tapaka avy hatrany raha vantany vao tara ny fandoavana azy. Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier no nandrenesam-peo ny faran’ny herinandro teo fa vokatry ny olana ara-bola eo anivon’ny orinasa no mahatonga ny fiakarana na dia efa misy hatrany aza ny fanampiana omen’ny fanjakana azy ireo. Tafiditra ao ny resaka fitantanana sy ny mangarahara, antony efa nanovana ny mpitantana izay antenaina hitondrana fanatsarana kokoa. Nitombina ny ahiahin’ny mpanjifa hatrizay, ny vahoaka no andrasan’ny orinasa JIRAMA hameno ny banga amin’ny resaka fahasahiranana ara-bola ao aminy. Iaraha-mahita anefa ny krizy isan’andro amin’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny vidin’entana toy ny vary, ny saran-dalana, ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro.Anisan’ny asa maika ataon’ny mpitantana vaovao ao amin’ny Jirama amin’izao fotoana ny fanadiovana sy fanatsarana ny fomba fitantanana ity orinasa ity.Ekena mihitsy fa manana olana eo amin’ny famokarana sy famatsiana angovo ny eto Madagasikara saingy betsaka ihany koa ny gaboraraka sy fomba fiasa tsy araka ny tokony ho izy ataon’ny JIRAMA ary samy mahita sy mahatsapa izany ny rehetra.Andrasana arak’izany ny fiovana miandalana any anaty faktiora satria tena tsy lojika mihitsy ny hoe mihoatra ny vola naloa tamin’ny jiro nandeha tsara, ny vola aloa rehefa tapaka 6 ora isan’andro ny herinaratra ary tsy mandeha 3 ora isan’andro koa ny rano.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.