Mitohy ny fifanolanana eo amin’ny fianakaviana Malagasy iray tompon’ny tany manana refy 10 Ha mahery eny Manazary Ilafy, eo amin’ny toerana antsoina hoe Antsahamioridoha,
sy ny mpandraharaha karana misehatra amin’ireny resaka fivarotana tany ireny, izay nahazo ny ampahan’io tany io tamin’ny fomba tsy mazava. Raha nirefy 10Ha43A57Ca ny refin’ny tanin’ireo Malagasy tompon-tanindrazana, izay nohamarinin’ny didim-pitsarana tamin’ny oktobra 1933, dia nitsimbadika tanteraka ny rasa ka lasan’ny karana ny 5Ha 86A57Ca, ary voalaza fa nahavitany taratasy ara-panjakana mihitsy. Lasa 4Ha56A60Ca sisa no voasoratra amin’ny anaran’ny fianakaviana. Manamafy anefa ny fianakaviana Malagasy tompon’ny tany tamin’ny alalan-dRakotoarisoa Réné fa tsy nivarotra ny taniny tamin’ny karana mihitsy izy ireo, ary efa nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana noho ny fahatsapan’izy ireo ny fisian’ny hosoka goavana, ka nahazo rariny hatrany. Niakatra teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy ny raharaha ny taona 2015 ary naharesy mazava izy ireo. Nisy ny fampiakarana na “appel” nataon’ny an-daniny, saingy tsy mipoitra foana izy ireo amin’ny fotoana tokony hivoahan’ny didy, ary tsy te hahalala. Mbola hifanolanana ny tany saingy nanomboka ny oktobra 2016 no nanao fanotofana sy mitady mpividy ireo karana, ka 37 tapitrisa Euros no ambara ho vidiny. Ny 19 jolay izao no tokony hivoaka ny didy tamin’ny fampiakarana nataon’ireo vahiny, saingy manahy ny hisian’ny fahagagana ireo Malagasy tompon’ny tany satria mirehareha fatratra sy miantehitra amin’ny volabeny ireo karana, ary tsy miraharaha akory izay mety haloaky ny fitsarana, raha ny fanazavana. Ny zavatra toy izao no ilana ny fandraisan’andraikitry ny Bianco sy ny Sendikan’ny Mpitsara, izay mivoy hatrany ny tany tan-dalàna lavitry ny kolikoly, ary ny fitsarana tsy mitanila, mba hivoahan’ny tena marina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.