Actualités

Fiatrehana ny tondra-drano Nodiovina ny tatatra eny Andohatapenaka III


  • Talata 19 Desambra 2017

Iray amin’ny faritra iva sy mora tondraka rehefa fotoam-pahavaratra ny eny amin’ny fokontany Andohatapenaka III, ka nanao fidinana teny an-toerana ny ekipa teknikan’ny boriborintany voalohany, ny RF2 (Rafitra Fidiovana sy Fanadiovana) ary ireo « Association »,

 izay mpitantana fotodrafitrasa eo anivon’ny boriborintany omaly alatsinainy 18 desambra 2017. Raha araka ny hita teny an-toerana dia zary lasa toerana anarian’ny olona fako sy maloto ny lakandrano ka somary manahirana ny fanadiovana ny azy. Raha ny tokony ho izy, hoy ny tompon’andraikitra dia anjaran’ny fokontany sy ireo mponina ny manadio ny lakandrano madinika kanefa noho ny habetsahan’ny loto diso tafahoatra dia tsy maintsy midina manao fanadiovana faobe ny kaominina Antananarivo Renivohitra mba ho fisorohana ny fiakaran’ny rano rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. Ny alarobia 20 desambra 2017 dia hitohy eny amin’ny Cité Ambodinisotry indray ny fanadiovana ireo lakandrano madinika eo anivon’ny boriborintany voalohany. Mila fahatongavan-tsaina io resaka fahadiovana io, ary fomba fiteny mahazatra hatramin’izay ny hoe rehefa tsy mandoto, dia naman’ny manadio. Sarotra ho antsika Malagasy anefa ny manatanteraka izany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT