Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny «Initiative d’Amélioration de la Résilience Intégrée de la communauté de la ville d’Antananarivo».
Mitentina 835.000 dolara na 2,740 miliara ariary ity tetikasa vatsian’ny sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana manerantany sy ny birao mpitondra fanampiana rehefa sendra loza ho fanampiana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity. Hisitraka ny tombontsoa avy amin’ny tetikasa «Iarivo» iarahan’ny Care sy ny CUA manatanteraka kosa ny mponina miisa 91.000 ao anatin’ny fokontany 75 manerana ireo boriborintany 6 hanatsarana ny toe-piainan’izy ireo izay tratry ny tondradrano matetika. Dingana samihafa no efa tontosa amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary mety hitranga eto Antananarivo Renivohitra nanomboka ny volana jolay 2015. Anisan’izany ny fanampiana ny fokontany hifandamina sy hitady vaovao ary hiomana kokoa amin’ny loza vokatry ny tondra-drano, ny fanomezana fahalalana teknika ho an’ny mpitantana ny tanàna amin’ny fampihenana ny loza mety hiseho miaraka amin’ny fitantanana na koa ny fametrahana fepetra ahafahana manome fanampiana bebe kokoa ny CUA hiatrehana ny loza eto an-drenivohitra. Hifanome tanana amin’ny kaominina amin’ireo lahasa hamehana ihany koa ny sehatra tsy miankina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.