Tsy ho sarotra amin’ireo mpamonjy voina ao Mahajanga intsony ny hiatrika ny loza voanjahary miseho ao amin’ny faritra Boeny mandritra ny fandalovan’ny rivodoza sy ny loza hafa satria dia nahazo fampitaovana sy fiofanana avy amin’ny CPGU izay sampandraharaha iray eo anivon’ny primatiora izy ireo
. Fiofanana amin’ny fampiasana ireo fitaovana nomen’ny CPGU ireo no omena ireo mpamonjy voina, ny BMH ary ny Croix Rouge Malagasy mandritra ny sivy andro. Mba hiarovana ireo tra-doza no tena tanjona ny CPGU amin’ny fanampiana ireo mpamonjy voina ireo amin’izao fampitaovana sy fiofanana izao. Ireo mpamonjy voina avy amin’ny “corp de protection civil” eny Ivato no mampiofana ary ny fizarana mari-pankasitrahana an’ireo mpandray anjara.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.