Nitondra horohoro teto amintsika ny fandalovan’ny rivodoza Enawo farany teo iny, hoy Rakotonanja Claude, filoha nasionalin’ny fikambanana Croix-Rouge Malagasy.
Ny teto Antananarivo no tena nahitana taratra izany. Saika nikaton-trano avokoa ny rehetra saingy tsy dia nisy ny aina nafoy, vitsy ihany koa ireo fotodrafitrasa simba. Tsy maintsy hanaovana jery todika anefa ny zava-nitranga tahaka ireny, hoy hatrany izy, hahafahana maka lesona amin’ny ho avy. Nisy omaly ny atrikasa goavana niarahana tamin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC, notarihin’ny jeneraly Rambolarison. Tanjona ny hahafahana mampandray andraikitra ny isan-tokantrano mialoha sy mandritra ary aorian’ny fotoana handalovan’ny rivodoza ho fiarovana ny ain’ny mponina. Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo 14.000 isa eo anivon’ny Croix-Rouge izay miezaka ny manentana ny mpiarabelona hatrany isan-taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.