Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary ny birao nasionaly misahana izany, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany ao aminy Andriamatoa Venty Thierry.
Teknisianina miisa 20 avy amin’ny BNGRC indray mantsy omaly no niatrika fiofanana momba ny fikirakirana ireo karazam-pitaovana hampiasain’izy ireo mandritra ny fiatrehana ny loza niarahany tamin’ny PAM. Tanjona ny hahafahan’ireo mpizaika mikirakira sy mampiasa ireo karazam-pitaovana araka ny tokony ho izy, raha eo ihany koa ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena hisorohana ny mety ho fitombon’ny isan’ny olona mamoy ny ainy sy ny very fananana. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana hatrehin’izy ireo koa moa ny fiatrehana amim-pitoniana ny loza sy ny fifehezana ny tondra-drano. Marihina fa miezaka hatrany ny BNGRC ankehitriny, hikolo sy hampiasa ireo fitaovana misy eo am-pelatanany, na dia fantatra aza izany fa tsy ampy. Nohamafisin’Andriamatoa Venty Thierry moa fa tsy ny ho enti-manana no zava-dehibe fa ny fahavonona hiatrika ny zavatra mety hitranga.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.