Actualités

Fiatrehana ny fahavaratra Manetsika ny eny amin’ny Fokontany ny CUA


  • Alakamisy 12 Novambra 2015

Aleo misoroka toy izay mitsabo ary izay tsara fiomanana, maivana ny fiantraikan’ny loza. Ampy naka leso ny ranobe saika nanafefika an’Antananarivo tamin’ny telo volana fiandohan’ny taona iny

 

. Eo anatrehan’izany dia manetsika ny eny anivon’ny Fokontany ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, tsy hitaredretra fa hifanome tanana hiara-kiasa amin’ny fanadiovana, fisavana ireo tatatra fivarinan’ny rano mba tsy ho mora dobon’ny rano. Fotoam-pahavaratra rahateo izao, tsy vitan’ny ranon’orana no hitombo fa hitobaka ihany koa ny voankazo sy ny fako manaraka azy. Hamafisina ihany koa ny fitsirihana ireo takamoa maty hosoloina haingana hanazavana ny tanàna mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana, izay isan’ny asa laharampahamehan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Mitety ireo Boriborintany enina ny ekipa avy amin’ny fiadidiana ny tanàna amin’ny fanofanana sy fanentanana hirindran’ny asa sy ny fiaraha-miasa amin’ireo ekipan’ny RF2 (Rafitra Fikojana ny Rano sy ny Fahadiovana), ny Fokontany, ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny mpitandro ny filaminana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT