Mba hahafahana miatrika amim-pitoniana ny fiavian’ny ranon’orana, indrindra fa ny fiatrehana loza voajanahary mba tsy hamoizana ain’olona dia efa mirotsaka an-tsehatra mampanao fanazaran-tena ny mponina amin’ny faritra maro ankehitriny ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary.
Toerana maro no efa noteteziny nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo toy ny teto amin’ny Faritra Analamanga nahitana ny kaominina Alasora, ny any Farafangana, Ambanja, Vatomandry, Toliara…Anisan’ny tanjona ny hampahafantatra ny mponina ny fihetsika tokony hatao rehefa handalo ny rivodoza. Tafiditra ao ny fanarahana tsy tapaka ny vaovao, ny lokon’ny saina mijoro isam-pokontany izay famantarana lehibe ihany koa, ny fomba fivoahana ny trano, ny famonjena ireo ankizy sy zokiolona ary olona manana fahasembanana. Any amin’ireny toromarika ireny no tsy azon’ny mponina. Narahina fampiharana mivantana mihitsy izany, hetsika niarahana tamin’ny UNICEF, ny PNUD, ny PAM, ny CARE International. Mikasika ny fiakaran’ny rano eto an-drenivohitra manokana dia fantatra fa efa nahatratra 1,86 m ny haavon’ny ranon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Ambohimanambola afak’omaly alakamisy, raha ny tatitra azo teo anivon’ny APIPA. Efa nidina 0,27 m izany tao anatin’ny 7 ora. Teo amin’ny 0,50 m kosa ny haavon’Ikopa teo amin’ny mari-drefin’Anosizato tamin’io alakamisy io ihany. 3,00 m moa ny refy filazana loza manambana (mavo) eo Anosizato. Ho an’Ikopa kosa dia 2,92 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’i Bevomanga. Niakatra 0,08 m ny rano tao anatin’ny 7 ora ary mbola hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. 4,00 m ny refy filazana loza manambana (mavo) eo Bevomanga. Ho an’ny reniranon’i Sisaony dia nahatratra 1,19 m ny haavony eo amin’ny mari-drefin’Andramasina izay efa nidina 0,43 m tao anatin’ny fito ora raha 2,94 m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika saingy efa nidina 0,59 m ny rano tao anatin’ny 7 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.