Izao vao tena tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika eto Madagasikara, hoy ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.
Mba ho fanamaivanana ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny mpiara-belona ary dia nidina ifotony nanentana ireo ankizy madinika mpianatra eo anivon’ny EPP 67 ha Atsimo sy III G hangar omaly ny fikambanana Vokovoko mena sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Ny ankizy mantsy no mahay mandray kokoa sy afaka manazava tsara izany amin’ireo fianakaviany sy ny ray aman-dreniny, hoy ny dokotera Isac Rabeson mpandrindra ny tetikasa Atrika, eo anivon’ny fikambanana Vokovoko mena. Ankizy an-jatony no nahazo tombontsoa tamin’izany, hetsika notontosaina nandritra ny tapak’andro. Tamin’ny alalan’ny kilalao no nanaovana ny fanentanana narahin’ny fampahafantarana azy ireo, ireo karazana loko fampiasa rehefa mitranga ny loza. Ireo karazana loko ireo ihany koa mantsy no hany vahaolana iray mety hahafahan’ny ankizy manavotra ireo fianakaviany na koa hanairany ireo ray aman-dreny mbola variana amin’ny fiatrehana ny fiainana, raha araka ny hevitry ny fikambanana Vokovokomena hatrany. Tsiahivina fa EPP miisa fito tany amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ihany koa no efa nanaovana izao fanentanana izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.