Actualités

Fiatoan’ny zotran-dalamby FCE Hita taratra ny fiakaran’ny vidin’entana


  • Alakamisy 27 Septambra 2012

Manomboka hita taratra ankehitriny amin’ireny toerana izay lalovan’ny lalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara iny ny fiakaran’ny vidin’entana, nanomboka izay nahatapaka ny zotra an-dalamby mampitohy ireo renivohi-paritra roa ireo.

 Araka ny fampitam-baovao moa, dia tsy ahitana arabe mihitsy ny toerana lalovany. Vokany, amin’izao fihatoany izao, dia zara raha mahita ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny mponina, satria mananosarotra ny ahatongavan’izany any an-toerana. Na dia mahita aza amin’izao, dia efa midangana be ny vidiny. Olana ho an’ireo mponina any an-toerana ihany koa ny famoahana ny vokatra amin’izao fotoana izao ka manjary simba eo an-toerana avokoa izany. Manampy trotraka ny olana ny fitondrana ireo marary izay tokony hanatona mpitsabo. Manahy amin’izao fiatoan’ny zotra izao ihany koa ireo mpiasa amin’ity zotra FCE, satria mety hisy fiantaraikany any amin’ny karaman’izy ireo izao. 

Araka ny fantatra moa, dia noho ny fahasimban’ny lohamasinina no mahatonga izao fikatsoana izao. Ny orinasa MADARAIL moa tsy afaka nanolo izany hatramin’izay, noho ny olana ara-bola mianjady aminy, ka izao ity lohamasinina ity tsy afa miasa intsony izao. 
Miantso ny tomponandraikitra ary ireo mpiasa hijery vahaolana haingana mba tsy hitaran’izany.
Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT