Fahombiazana no azon’ny sendikan’ny mpiasa mivondrona ao amin’ny FISEMARE tamin’ireo 80%-n’ny raharaha noraisin’izy ireo an-tanana, raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny Rasoamananoro Lalao
. Resaka fiarovana ny zon’ny mpiasa avokoa izany ka tafiditra tao anatiny ilay raharaha Air Mada izay tonga hatreny amin’ny fitsarana mihitsy. Nandritra ny fanokafan’izy ireo tamim-pomba ofisialy ny kongresiny tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina no nahafantarana izany omaly. Haharitra roa andro ny hetsika ka anisan’ny hodinihina mandritra izany ny hahafahana manatsara kokoa hatrany ny fomba fiasan’ny sendika ho fiarovana ny zon’ny mpiasa eto amintsika. Notsiahivin’ity sekretera jeneralin’ny FISEMARE ity moa fa anisan’ny raharaha goavan sy henjana nolalovan’izy ireo ny fisian’ireo tsy mataho-tody nikasa ny hanala azy ireo tamin’ny tranony saingy nivoaka ho mpandresy ihany izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.