Actualités

Fiarovana ny varika Mbola olana ny fampiharana ny lalŕna


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Ny fampiharana ny lalŕna mikasika ny fiarovana ny harem-pirenena toy ny varika mihitsy no mbola tena olana eto amintsika, hoy ny Profesora Ratsimbazafy Jonah, tompon’andraikitra eo anivon’ny GERP Madagascar.

 

 

 Misy hatrany mantsy ny fanondranana sy ny fihazana azy ireny ka na misy olona tratra aza dia indray andro monja no faizina dia tafavoaka hatrany, hoy izy. Ho an’ny faritra sasany dia tsy manaitra ireo tompon’andraikitra any an-toerana akory ny mahita olona mitrandraka ireny karazam-biby ireny  izay tokony harovana. Manoloana izany dia ny  ankizy madinika  indray no niantefan’ny fanentanana nataon’izy ireo  ny faran’ny herinandro teo tetsy Ambohijatovo. Rehefa tsy miraharaha sy minia manampin-tsofina ny lehibe dia ny ankizy indray no hampianarina mba hahay hanaja lalàna sy hiaro ny harem-pirenena hahafahana manatsara kokoa ny fiatrehana ny ho avy. Notsiahivin’ity profesora ity anefa fa ny varika sy ireo karazam-biby namany hafa no namboly ny ala tamin’ny alalan’ny fanapariahana ny voany nefa ankehitriny vonoina izy ireo no sady tapahina ihany koa ny ala izay tena manapotika ny firenena tokoa.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT