Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Votsotra ny 1 miliara dolara


  • Talata 25 Mey 2010


Anisan’ireo firenena niara-niasa akaiky ary notohanan’ny Banky Iraisam-pirenena foana i Madagasikara tao anatin’ny enin-taona. Taorian’ny fanonganam-panjakana nitranga teto sy ny tsy mbola nahatafaverina ny fitantanana ny firenena amin’ny ara-dalàna anefa, dia niato ny ankamaroan’ireo famatsiam-bola, na dia misy ihany aza ny fanohizana ireo fandaharan’asa sasany. Araka ny fantatra izao dia tsy tafiditra tao anatin’ireo firenena mahazo fanohanana ara-bola ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena i Madagasikara. Mitentina 1 miliara dolara isan-taona eo io vola io. Nanova ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amintsika sy ny Banky iraisam-pirenena ny fitarazohan’ny krizy sy ny tsy fisian’ny vahaolana eken’ny rehetra. Marihina fa tahaka ireo fikambanana iraisam-pirenena rehetra, dia miandry ny fitsanganan’ny tetezamita iombonana sy iaraha-mitantana ny «Institutions de Bretton Woods », izany hoe ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale) vao handinika indray ny antontan-taratasy Madagasikara ka mety hamerina ny famatsiam-bola. Maharitraritra ihany anefa, fa tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy izany, ary mbola maro ny fepetra tsy maintsy arahina, hisy matetika ihany koa ny fanaraha-maso, indrindra fa eo amin’ny fandaniam-bolam-panjakana.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT