Fotoana manan-tantara ho an’I Madagasikara ny nahavitan’ny andiany voalohany tamin’ny fihaonana sy fikaonan-dohan’ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI) eto Madagasikara tany Antsirabe n,y 16, 17, 18 novambra lasa teo. Teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny tontolo iainana nampian’ny WWF (World Wide Fund for Nature) izy io.
Nenti-nifanakalo hevitra sy nitadiavam-bahaolana niaraka mba hahatrarana ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana mahomby, ka vondron’olona ifotony avy amin’ny faritra 13 eto Madagasikara no voasolo tena. Miisa 167 ny mpandray anjara tamin’izany, ka ny 126 tamin’ireo, dia solontenan’ny VOI avokoa ; 27 solontenan’ireo sampan-draharaha mpiara-miombon’antoka, ary ny 14 kosa dia avy amin’ny sampan-draharahan’ny ala. Amin’izao fotoana izao, dia Vondron’olona ifotony miisa 1248 eto Madagasikara no nahavita fifanaovantsoniam-piaraha-miasa momba ny fiarovana ny harena voajanahary azo havaozina tamin’ny sampan-draharahan’ny ala momba ny famindram-pitantanana sy fanajariana. Mandray anjara mavitrika ao anatin’izany ny WWF, izay tsy mionona fotsiny amin’ny fahatontosan’ny fifanarahana, fa kosa manampy sy manome tosika lehibe amin’ny fanatanterahana ny asa. Isan’ny mirehareha amin’ny fikambanana mpiaro ny ala antsoina hoe : « Fanantenana » any amin’ny distrikan’Antanifotsy Rafanomezantsoa Nirina, izay resy lahatra tanteraka tamin’ny fanatanterahana ity fihaonana ity. Hatramin’ny nitsanganan’ny Fikambanana, dia misy ny vokatra miiba satria miova ny toe-tsain’ny olona eo anatrehan’ny fiarovana ny tontolo iainana satria mihena ny fanaovana tavy, ary misy ihany koa ny fambolen-kazo isan-taona, hoy izy. Noresahina sy niadian-kevitra tamin’ny fihaonam-be ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ny lafiny taknika sy ara-bola,… Mihevitra ny hanangana tambajotra rejionaly sy nasionaly ny Fikambanana miaro ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana hanamorana ny lamina sy fifanohanana. Marihina fa nandritra ity fihaonam-be ity no nanoloran’ny WWF ny loka « Africa Youth Award 2016” ho an’ilay tanora mpiantsehatra ary mavitrika amin’ny resaka fiarovana ny tontolo iainana dia i Jean Louis Gonzague Razafimanandraibe. Tetikasa natolony tamin’ny fifaninana Afrikanina ny fanomezana vahana ny fambolena «bambou», mba hiarovana ny fahapotehan’ny ala sy hampiroboroboana ny toekarena maitso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.