Nahagaga ny nahita ny fiaran’ny Masoivoho Frantsay nihantsona teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly.
Tsy dia fahita matetika eny an-toerana izany, ary indrindra ao anatin’ny raharaha nafampana teny amin’ity andrim-panjakana ity. Tsy hay na fifanandrifian-javatra ihany na ahoana, saingy tombanana ho tsy tongatonga ho azy. Heverina avy hatrany fa miditra an-tsehatra amin’ny raharaha mafana eny Tsimbazaza momba ny fandaniana ny volavolan-dalàna fehizoro mikasika ny fifidianana ny Frantsay. Tsy hay aloha na mitombina io na tsia, ary fanontaniana mipetraka ny hoe ao anatin’ilay mankasitraka sa tsia ve ny Frantsay raha tena miditra an-tsehatra tokoa ? Ny tsikaritra aloha dia somary marisarisa ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny fanjakana HVM sy i Frantsa na dia miezaka maka ny fon’ny mpitantana ity firenen-dehibe ity aza ny mpitondra Malagasy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.