Tao anatin’ny ora firavan’ny mpianatra iny indrindra no nitrangan’ity loza mahatsiravina namoizana aina zazavavy kely 4 taona mpianatra nirava hody niaraka tamin’ny dadabeny.
Teo anoloan’ny fonjaben’i Toamasina no nofaohin’ity miaramila mamo, mpamilin’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny tafika ao Toamasina ny moto nentin’ny dadaben’ilay zaza. Ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny fitrangan’ny loza, dia nangalatra ny lalana tsy tokony halehany ilay fiara ka nandona ny moto nentin’ilay dadabe sy ny zafikeliny avy nianatra hamonjy fodiana. Tafasitrika tao ambany fiara mihitsy ilay moto noho ny firimorimon’ilay ka voa mafy teo amin’ny lohany ilay zazavavy kely 4 taona. Nivoa-dra teo amin’ny sofiny sy ny orony ary ny vavany, nahitana fahatapahana maro ihany koa ny taolan’ilay zaza noho izy teo anoloan’ny moto tamin’io fotoana io. Ilay dadabeny kosa mbola eo anivon’ny hopitaly be ny ainy izay voa mafy teo amin’ny lohany sy ny tratrany ary nahitana fahatapahana ihany koa ny tongony. Tsy tazana niatrika ny zava-nisy ny lehiben’ny tafika ao Toamasina na efa nisy niantso an-telefaonina aza araka ny vaovao “marim-pototra”. Saika niteraka sakoroka sy fitsaram-bahoaka ny raharaha raha tsy tonga haingana niaro ny fananam-panjakana ny polisy tsy lavitra teo izay mpanao fisavana sy fanaraha-maso ny fifamoivoizana. Araka ny fantatra, tsy mbola nisy solontena avy amin’ny tafika na dia iray aza tonga nijery ilay rangahy be miady amin’ny fahafatesana eo anivon’ny hopitaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.