Actualités

Fiaramanidina Lasibatra koa ny ATR 42 an’ny Tiko


  • Talata 23 Novambra 2010


Nisy olon’ny FAT, mpikambana amin’ny Parlemanta, tonga teny Ivato teny omaly tolakandro. Namantana avy hatrany tao amin’ny hangar misy ny fiaramanidina ATR 42 an’ny Tiko Air izy sy ny mpanara-dia azy. Ankoatra ny teny fankahalana sy fanaratsiana nataon’io olona io ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, tompon’ity fiaramanidina ity, dia nisy ny toromarika ny hanesorana ilay ATR 42 tao anaty hangar ka hamoahana azy ety ivelany. Halina avy hatrany no tokony ho nanatanterahana ny famoahana azy io, saingy hatramin’ny ora nanoratana tsy mbola nisy izany. Raha natao rahateo dia ankeriny no nanaovana azy satria toerana mihidy io hangar io. Hangar izay, araka ny nahafantarana azy, dia nifanarahan’ny Tiko sy ny TAM ny fampiasana azy. Maro ny fanontaniana mipetraka manoloana izao raharaha izao. Havela hodanin’ny andro dia ho potika am-pitoerana eo ny fananan’olona sa misy raharaham-barotra mandeha indray koa any ? Tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa dia efa nidiran’ny miaramila an-keriny ity fiaramanidina ity ary dia nisy fahasimbana ny valindrihana sy ny varavarana tao aminy, tsy ahafahany misidina avy hatrany intsony. Izao indray havoaka holazoin’ny andro, raha tanterahina ihany ny toromarik’ity olon’ny FAT ity. 

Sary : Ny taona 2007 no nividianan’i Marc Ravalomanana ity fiaramanidina ATR 42-300 ity izay an’ny AIR Caledonie teo aloha

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT