Actualités

Fiarahamonim-pirenena Tsy misy mpihaino


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Efa maro ny fikaonandoha sy atrikasa notontosain’ny rafitra iombonan’ny fiarahamonim-pirenena na OSCs.

 Saika niompana tamin’ny tontolon’ny zon’olombelona hatrany moa izy io. Teo ny zo momba ny fananan-tany, ny asa ary ny zon’olombelona amin’ny ankapobeny. Hatreto aloha, mbola andrasana hatrany ny akony azo tsapain-tanana hampivoarana ny tontolon’ny zon’olombelona vokatry ny ezaka nataon’ireo fiarahamonim-pirenena. Tonga indray ity ny fikaonan-doha isan-taonan’ny fiarahamonim-pirenena hotontosaina ny 16, 17, 18 novambra 2017 izao ao amin’ny Motel Anosy. Araka ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny Cite Ambatonakanga omaly dia “Fiarahamonim-pirenena sy fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara : Fifanakalozan-kevitra” no lohahevitra amin’ity taona ity. Efa maro ihany izay fihaonana, fivoriana, fikaonan-doha, atrikasa izay; misy isam-bolana mitohy isan-taona saingy toa vao miha voahosihosy ny zon’olombelona eto Madagasikara.Izany tranga rehetra izany no mahatonga ny fanontaniana hoe : hatraiza ny tena vokatry ny asa ? Mba misy mihaino ihany ve ny fiarahamonim-pirenena eto sa dia lasa fikambanana mpanao fikaonan-doha sy fanambarana fotsiny ?

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT