Mila jeren’ny fanjakana akaiky ny fiarahamonim-pirenena, hoy ny filohan’ny fikambanana hafari malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Mbola tena marefo mantsy izy ireny eto amintsika, hoy hatrany izy no sady tsy mahazo famatsiam-bola ihany koa nefa saika any amin’izy ireny avokoa no midodododo mitady vahaolana
ireo mpiara-belona tra-pahasahiranana. Ho an’ny fikambanana HAFARI Malagasy izay tarihiny manokana ohatra dia nambarany fa ankoatra ny fiahiana ireo zaza mpirenireny, ireo vehivavy misedra olana ara-tokantrano, ireo olana arak’asa, ny ady tany …dia ny fikambanana avokoa no mivesatra izany miaraka amin’ireo mpiara-miasa rehetra izay tsy mandray karama fa manao asa an-tsitrapo. Ankoatra izay, tsy misy dikany eto amintsika ny misambotra ny filohan’ireny fiarahamonim-pirenena ireny rehefa misy olana raha mbola mandalo an-dalana maromaro kosa izany ho an’ny mpanao politika vao azo tanterahina. Mikasika ny fiarovana sy fanajana ny zon’olombelona manokana moa dia nanambara ny filohan’ny HAFARI fa tsy mbola sahy mametraka fanamby izy raha tsy ny rehetra no vonona ny hanova eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.